Rehefa tsy fantatra ny nahatonga ny fiakaran’ny vidin’entana dia lasa
fihetsiketsehana ivelany daholo ny asa rehetra ankoatran’izay hatramin’ny famerana ny haben’ny kapoaka, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Iaraha-mahalala fa mitotongana ny ariary. Raha mbola vary afarantsika avy any ivelany foana dia na tiana na tsia dia lasa lafo rehefa izay no mitranga. Tokony atao izay hahatongavana amin’izay politika hananana fahaleovantena ara-tsakafo. Vary no hoe foto-tsakafo fa manana politika marina ve isika? Tao anatin’ny 5 na 6 volana ny vary dia efa niakatra. Lasa asa vonjy tavanandro no betsaka eto fa tsy misy politika hamahana olana. Ny vahaolana misy foana fa ilay politika hampaharitra izany ao anatin’ny 5 sy 10 taona aiza, hoy hatrany ny tenany ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.