Actualités

Dama sy Eric Manana Hitety faritra hamaly babena ny tanindrazana


  • Zoma 20 Mey 2016

Hanatanteraka fampisehoana miisa 40 be izao i Dama sy Eric Manana amin'ity taona ity hamaliana babena ny tanindrazana.

  Amin'ny alalan'ny fampisehoana no hampitany ny hafatra izay hitetezany faritra mihitsy.  Efa nosantariny tao Ambositra ny hetsika tamin’ny alahady 15 mey teo, hitohy avy hatrany ao Moramanga amin’ny sabotsy. Ny orinasa DHL no hanohana azy ireo noho izy ireo mitovitovy fomba fijery. Ho an'ity orinasa ity manokana dia anisan'ny tanjona kendrena ny hanatsara hatrany ny fanabeazana ny mponina eto Madagasikara. Raha mitohy mantsy izao fanimbana ny tontolo iainana eto amintsika izao dia tsy hisy intsony ny rano, ny rivotra madio, ny ala atsy ho atsy izay tsy hijanona ho olan'ny firenena tokana toa an'i Madagasikara ihany. Manoloana izany dia hiara-kiasa ny roa tonta. Tanjon'ireto mpanakanto roa ireto ny hampita ilay toe-tsaina ho tia sy hikolokoloana ny vatsy dia i Madagasikara holovain'ny taranaka faramandimby. Antony hijanonan'izy ireo eto an-tanindrazana moa, araka ny fanazavan'i Dama ny hamaly babena izay nambarany fa tokony hataon'ny rehetra satria i Madagasikara no nanabe antsika, nahaizantsika ny teny Malagasy ka nitondran'ireo mpanakanto mpiray fiaviana amintsika ny lazany  eran'izao tontolo izao. Mikasa ny hanangana ivontoerana ara-kolontsaina any amin'ny faritra ihany koa izy ireo ho tohin'izao famaliana babena ny tanindrazana izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT