Dahalo sy Fokonolona nifampitifitra

> Olona 3 voatery nampidirina hopitaly


  • Alakamisy 31 Oktobra 2013


Niakaran’ny malaso ny tanànan’i Dihizana Fokontany Ambatomainty Andrefana, Kaominina Antanimenabaka, Distrikan’Andilamena ny faran’ny herinandro teo. Ny zoma tokony ho tamin’ny 11 ora alina no niditra tao an-tanàna ny dahalo sady nanapoaka basy. Lasan’ny jiolahy ny omby 40. Tsy nitazam-potsiny ny Fokonolona fa niantso mpitandro ny filaminana ary dia raikitra ny fifanjevoana. Olona fito no naratra, ny telo tamin’ireo no tena voa mafy ka voatery nentina tany amin’ny hopitaly ao Andilamena. Efa manohy ny fikarohana ireo olon-dratsy ankehitriny ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny Holafy faha-316 ao Andilamena. Nanambara ny Kapiteny Sedera fa ny fiarahana misalahy eo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka no paikady iray hahafahana manala hatramin’ny fakany ny asan-jiolahy.

 

 Niry A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT