Actualités

Dahalo niharan’ny fitsaram-bahoaka Nodoran’ny Fokonolona fa tsy nalevina


  • Sabotsy 27 Jolay 2013

Niharan’ny asan-dahalo ny omby enina tao Amboaramena, Kaominina Sandrandahy, Distrikan’i Fandriana ny alakamisy 25 jolay 2013 tokony ho tamin’ny 11 ora alina.

Dahalo efa-dahy nirongo basy no nangalatra izany ka nizotra nanaraka ny tapany antsinanan’Ambositra ireo dahalo sy omby halatra ireo. Rehefa tonga tao Ampanazava Tsararivotra manakaiky ny Fokontany Tanamahalana Ambositra dia tsikaritry ny Fokonolona marobe tao ireto dahalo niroaka omby. Nisy fifanjevoana teo amin’ireo Fokonolona sy ireo dahalo ka nisy dahalo iray azo babo tamin’izy efa-dahy ireo, noho ny famalivalian’ireo jiolahy ny Fokonolona. Novonoin’ireo Fokonolona ilay dahalo iray ka niafara tamin’ny fandoroana azy fa tsy neken’izy ireo halevina.

Tsy fanta-piaviana rahateo ity dahalo ity ka izay no tena nandoroan’ny olona azy sady ho anatry ny dahalo sasany, hoy ireo Fokonolona. Tafaverina tamin’ny tompony ny omby 5 sisa tamin’ireo 6 nangalarin’ireto dahalo ireto. Nisy mpitandro ny filaminana nanara-dia niaraka tamin’ireo Fokonolona avy any Sandrandahy saingy efa matin’ny Fokonolona tao Ambositra ilay dahalo vao tonga izy ireo niaraka tamin’ny Zandary hafa avy ao Ambositra. Nambaran’ny ankamaroan’ny olona namono ity dahalo ity fa mendrika ny dahalo mpangalatra omby rehetra ny toy izao satria efa mandry tsy lavoloha ny vahoaka noho ny afitsoky ny asan-dahalo.

 

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT