Actualités

Dahalo nanafika tany Andramasina Tsy nanaiky lembenana ny fokonolona


  • Sabotsy 28 Mey 2016

Mirongatra hatrany ny halatr’omby any amin’ny distrikan’Andramasina. Taorian’ilay tranga niseho tany an-toerana ny herinandro teo ka nahaverezana omby maromaro dia tonga nanafika tanàna iray ao anatin’ny fokontany Ambohijanahary indray ny dahalo maromaro ny alarobia alina teo.

 

  Tokony ho tamin’ny 10 ora no nitrangan’izany ka nentin’ireo dahalo nanaraka azy ny omby miisa roa tao amin’ilay tokantrano. Tsy nanaiky lembenana intsony anefa ny fokonolona  nandritra izany ka raikitra ny fampitam-baovao sy ny fanarahan-dia. Vokany, voasakana tao  Vohimasina ireo dahalo ireo ka ny iray no azon’ny fokonolona fa tafaporitsaka ny ambiny. Azo ihany koa ireo omby roa saika nangalarin’izy ireo ary efa tafaverina amin’ny tompony. Nentina nanatona ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena any an-toerana avy hatrany moa ilay dahalo taorian’izay. Somary nanahirana ihany ny niambina azy noho ny hatezeran’ny mponina izay saika hanao fitsaram-bahoaka. Naratra voadarodaroka ihany anefa izy. Nomarihin’ireo tompon’andraikitra any an-toerana moa fa manomboka mahazo vahana tanteraka ao Andramasina ny halatr’omby amin’izao ka tokony handray ny andraikiny ny fanjakana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT