Actualités

Dahalo namono Karana Voasambotry ny polisy i Coco


  • Zoma 19 Jolay 2013

Saron’ny polisy ny alarobia teo vao maraina be tao Andranomanitsy i Félicien na Coco rehefa nokarohina nandritra ny iray taona latsaka kely, rehefa nandositra taorian’ny namonoany sy ny namany dimilahy ilay Karana mpandraharaha, Piaraly Roger, tany Manja ny 30 aogositra 2012.

Nihevitra ny tsy ho tratry ny aloka mihitsy ity jiolahy rain-dahiny eo amin’ny fanafihana mitam-piadiana arahina vono olona sy fandrobana nikoizana ity, nefa noho ny ezaky ny polisy dia voasambotra. Taorian’ny fizahana sy fanadihadiana ny vodi-basy tavela sy latsaka tao an-tranon’i Piaraly Roger no nahasamborana an’ireo namono azy. Ireto farany tratra avy eo no nilaza sy nanizingizina fa i “Kada”, izay mpivarotra eo an-tanàna ihany no naniraka ary nanakarama 4 tapitrisa Ariary avy noho ny fialonana ihany satria mamy hoditra eo an-tanàna ity Karana ity.

Tamin’ny famotorana natao an’i Coco no nilazany sy nanamafisany, araka ny fampitam-baovaon’ny mpitandro filaminana fa nokaramain’i Kada hamono an’i Piaraly Roger izy ireo, ary efa nahazo «avance». Aorian’ny famotorana ataon’ny polisy azy moa dia hatolotra ny fitsarana any Morombe ity jiolahy raindahiny nampitondra faisana ny Distrikan’i Manja sy ny manodidina ity. Nahafaly ny vahoaka any Manja sy Toliara izao ezaky ny polisy izao. Marihina fa anisan’ny raharaha be mpanaraka any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy iny ity vono olona nahatsiravina tamin’ny fomba feno habibiana tany Manja ity.

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT