Nirefodrefotra indray ny basy tany Ambatofinandrahana ny alatsinainy teo.
Vokatry ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ireo andian-dahalo nirongo basy saika hanafika tao Fenoarivo dia malaso iray nikoizana nampitondra faisana amin’iny faritra iny no maty voatifitry ny zandary, na dia nezahina notsaboina teny amin’ny hopitaly noho ny ratra mafy nahazo teo amin’ny faritry ny sorony aza. Teny an-dalana dia maty ity dahalo ity izay mbola nahatrarana basy MAS 36 sy bala miisa efatra.
Araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana, dahalo maromaro nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika mandehandeha eran’ny tanàna saika hanafika, nefa nalaky tonga ny zandary taorian’ny fahazoam-baovao, ka napetraka avy hatrany ny vela-pandrika. Raikitra ny fifampitifirana satria tsy nanaiky lembenana samborina mora ireo dahalo fa nanohitra, ka teo no nahalavo an’ity iray lehiben-dahalo ity, raha nitsoaka nanavotr’aina kosa ireo namany izay mbola karohina hatramin’izao.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.