Actualités

Dadan’i Dylan Nahazo sazy miantona 3 taona sy lamandy 1 tapitrisa Ar


  • Alarobia 30 Desambra 2020

Sazy miantona 3 taona no azon’ny Dadan’i Dylan, ilay raim-pianakaviana namono

 

 

an-janany teny Soavimasoandro tapa-bolana lasa izay niampy lamandy 1 tapitrisa Ar. Nivoaka omaly ny didim-pitsarana mifandraika amin’izany raha efa notazonina vonjimaika teny Antanimora kosa izy mandra-piandry izany. Raha tsiahivina kely ny tantara dia horonan-tsary niparitaka tao anaty tambajotran-tserasera facebook izay naneho ny fihetsika rehetra nentin’ity rangahy ity nibedesana  an-janany tamin’ny alalan’ny kapoka sy ny fampanaovana paompy ankalamanjana no niparitaka ka nanokafan’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalana fanadihadiana. Efa nifona izy tamin’izany ary nilaza fa nentin’ny hatezerana diso tafahoatra noho ilay zanany tsy mety mandeha mianatra fa mingitrika miaraka amin’ny namany. Mba ho fanarenana ilay zaza ihany koa moa dia napetraka any amin’ny akany fitaizana ankizy nania koa ity farany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT