Naredona ireo hira nahafantaran’ny maro an’i Dadah sy Fafah tao amin’ny Dôme RTA Ankorondrano ny sabotsy 8 martsa teo. Tsy nohadinoin’izy mirahalahy ny andron’ny vehivavy fa niangaliany tao koa ireo vazo toy ny “Tanan’i Mama” sy ireo hiram-pitiavana. Ara-bakiteny ilay hoe ny feo sy ny soratra satria dia nitondra ny feo i Fafah ary ny soratra dia avy amin’i Dadah. Tsy mbola salama i Nono ka nanampy ny tarika teo amin’ny gitara i Eric sy Nary ary teo amin’ny percussions i Bim. Kanto ny seho ary niray fo tamin’ny mpijery ireto andrarezin’ny kanto Malagasy ireto.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.