Actualités

CT Tinoka Roberto Nanome 20.000Ar isam-bolana ho an’ny sefo Fokontany ao Toliara


  • Zoma 25 Mey 2012

Tsy atao resaka ambony latabatra fotsiny ny maha tomponandraiki-panjakana.

 Taorian’ny fanolorany bisikileta sy finday ireo sefo Fokontany sy ny lefiny miisa 41 ao Toliara I dia nanapa-kevitra hanome fanampiana ara-bola roa alina Ariary isam-bolana ho azy ireo ny CT Tinoka Roberto, filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita avy ao Toliara. Nambarany teo ampanomezana ny fanampiana omaly fa “miezaka mamaha amin’ny tokony ho vitako aho ary mametraka anareo amin’ny toerana maha solontenam-bahoaka marina satria ianareo no mahafantatra ny olana fototry ny vahoaka”. Tsy diso anjara koa anefa ny lisea 4 ao an-toerana izay nahazo solosaina iray avy miampy “imprimante”. Nomen’i Tinoka Roberto lelavola dimy hetsy sy iray tapitrisa Ariary koa ireo mpampianatra mpanabe FRAM mivondrona ao amin’ny Sempama Toliara

Nangonin’i Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT