Actualités

CT Rakotobe Naly Nijoro vavolombelona tamin’ny fiafian’ny orinasa TIKO


  • Alatsinainy 11 Jona 2012

Tany Antsirabe, toerana niasany ela, no nampisokatra ny vavan’ny CT Rakotobe Naly hatramin’izay namonjeny tsy tapaka ny hetsika an-kianja izay na tany amin’ny Magro Avaratsena Antsirabe na tetsy amin’ny Magro Behoririka.

 Teknisianina ny tenako fa tsy mba mpanao politika ka izany no tsy mba nikabariako mihitsy hatramin’izay, hoy izy. Tsy maintsy atrehana io resaka politika io manoloana ny fanaovana antsojay ny orinasa TIKO. Nijoro vavolombelona ny lehilahy tamin’ny sabotsy tao amin’ny kianjan’i Magro Avaratsena Antsirabe ka nilaza fa : «sarotiny amin’ny fiarovana ity orinasa ity ny tenako satria anisan’ny mpiasa iray niatrika hatrany am-boalohny ny fanorenana ny orinasa niaraka tamin’ny filoha Marc Ravalomanana aho tamin’ny taona 1986. Niainga tamin’ny fihafiana sy ny ady sarotra izahay tamin’izany fotoana izany ary nandritra ny taona maro, hoy izy, vao tafavoaka tsikelikely.

Nisy fotoana niadiana tamin’ny fidangan’ny hetra TVA ka nitakiana ny tsy handoavana izany nandritra ny fotoana voafetra, hoy ny CT Naly, satria nambara tamin’ny mpitondra tamin’izany fotoana izany fa tsy ho zakan’ny olona ny vidin-javatra vokarin’ny orinasa malagasy toy ny TIKO raha tena ampiharina ny «vérité des prix». Nazava koa ny fanazavana nomeny mikasika ilay vola tsy voaloan’ny orinasa amin’ny fanjakana. Tena misy io, hoy izy, saingy tsy araka izany voalaza ombieny ombieny etsy sy eroa, indrindra amin’ny haino aman-jery samihafa. Izahay, hoy ny CT Rakotobe Naly, dia efa nitaky hatrany ny hampitahana ny kaonty, dia ho hita ny tokony haloan’ny TIKO amin’ny fanjakana ary ohatrinona koa ny tokony haloan’ny fanjakana amin’ny TIKO.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT