Actualités

“Crématorium” Anosizato 2 tapitrisa Ariary ny mandoro faty iray


  • Alarobia 28 Aprily 2021

Toerana fandorana faty hany tokana eto Antananarivo renivohitra ny “Crématorium” etsy Anosizato.

 

 

 Nomen’ny olona anarana hoe : Fasan’ny Karana ilay toerana, izay manamorona ny reniranon’Ikopa. Efa zato taona mahery no nisian’ity toerana ity, ary Karana no mitantana azy. Raha ny hita peta-drindrina eny an-toerana dia misy sarany fa tsy maimaimpoana ny fandorana faty ao, 2 tapitrisa Ariary ny iray. Kitay no tena miasa. Ny fianakaviana no manao izay ahatongavan’ny faty sy mametraka azy hatreto ambonin’ny kitay efa voalahatra, ary ny mpiasa ao kosa no manatontosa ny fandorana. Mandany kitay mitapatapaka 1m eo, 60 ka hatramin’ny 70 isa ny fandorana faty iray amin’ny ankapobeny. Miovaova arakaraka ny haventesan’ilay olona maty sy ny karazana kitay ampiasaina anefa io habetsaky ny kitay ilaina io. Maharitra ora roa ka hatramin’ny ora roa sy sasany eo ny fandorana faty iray vao tena lasa lavenona tanteraka. Mora dorana kokoa ny vehivavy noho ny lehilahy, raha ny fanazavan’i Bonaventure mpiandraikitra izay efa ela niasana ao. Roa ka hatramin’ny telo isan-kerinandro eo ny faty dorana ao amin’ity “Crématorium” etsy Anosizato, tato anatin’izay vanim-potoana nampisy ny valanaretina coronavirus izay. Misy Malagasy amin’ireo, misy vazaha ankoatra ny Karana. Maka ampahany amin’ny lavenona sisam-paty ny fianakaviana, halevina any an-toeran-kafa na havalana ny rano arakaraka ny fomban’ny fianakaviana manana ny maty.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT