Miakatra ny trangana covid-19 any Allemagne ka nandray fepetra ny Chanchélière Allemande Angela Merkel omaly.
Voatery hakatona avokoa ireo bar, restaurant, fivarotana ankoatran'ny entana ilain'ny mponina andavan'andro ary sekoly rehetra manerana ny Alemanina manomboka ny alarobia 16 desambra izao, ka hatramin'ny 10 janoary 2021. Voarara ny famarotana afomanga alohan'ny taom-baovao,… 21816 ny tranga tany Allemagne omaly, ary 351 no namoy ny ainy. 1 329 710 ny tranga hatramin’izay, ary 22 257 no efa namoy ny ainy. 349 953 no mbola tsaboina, ka 4 552 ny marary mafy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.