Actualités

COP 27 any Charm-el-Cheikh - Egypta Ho resahana ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro


  • Zoma 04 Novambra 2022

Tsy misy izay tsy miaina amin’ny fahavoazana ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro ny ankamaroan’ireo firenena maneran-tany.

Ankoatra ny resaka fahasalamana izay tena mampitaraina ny maro tokoa dia simba ny tany hamokarana vokatry ny hain-tany, tsy tonga amin’ny fotoana tokony hirotsahany intsony ny ranon’orana, mihamahery vaika ny rivo-doza, misy ny tondra-drano, miakatrabe ny hafanan’ny tany, mihena ny vokatra miakatra….
HOJERENA IREO FILAN’NY MPONINA
Hanampy ireo firenena mahantra sy an-dalam-pandrosoana voakasik’izany ireo firenen-dehibe toy ny vondrona Eoropeana ka anisan’izany isika eto Madagasikara. Hotanterahina manomboka amin’ny 06 ka hatramin’ny 18 Novambra ho avy io ilay atrikasa mikasika ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny COP 27 izay hatao any Charm-el-Cheikh any Egypta. Tanjona ao anatin’ity atrikasa ity ny hahafahana mijery ireo filan’ny firenena an-dalam-pandrosoana voakasik’izany sy ireo tokony arenina. Ao anatin’ny mangarahara avokoa no hanatanterahana izany ka hisy mihitsy ny fanaovana tombana kely mikasika ny tranga maneran-tany hahafahana mitady vahaolana. Anisan’ny hitsikafona ao anatin’izany ny resaka fitrandrahana harena an-kibon’ny tany… Ho antsika eto Madagasikara manokana dia tena misy fiantraikany goavana eo amin’ny andavan’androm-piainan’ny mponina tokoa ity fiovaovan’ny toetr’andro ity. Antony hanampian’ny vondrona Eoropeana antsika tamin’ireo karazana tetikasa notanterahiny izany ka anisan’ireny ny fahafahana mamokatra herinaratra amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina izay sady miaro ny tontolo iainana tsy ho simba no manampy ny isan-tokantrano mba hisitraka izany ihany koa, eny fa na dia ireo any ambanivohitra lavitra aza.
EFA HITA NY VAHAOLANA
Mbola tsy mahalala tsara ny fiantraikan’ity fiovaovan’ny toetr’andro eto Madagasikara ity ny ankamaroan’ireo mponina eto amintsika amin’ny ankapobeny. Antony mbola manosika ny sasany handoro tanety ihany izany, tranga izay hita manerana ny faritra maro. Betsaka anefa ireo tsy afaka misitraka rano fisotro madio intsony amin’izao vokatr’izany. Mihitatra be ihany koa ny vanim-potoanan’ny ririnina raha oharina amin’ny teo aloha…. Na izany aza anefa dia efa nahita vahaolana ny vondrona Eoropeana. Amin’ny alalan’ireo tetikasa efa notanterahiny sy mbola hotanterahiny no hanaovany izany izay marihina fa tena manampy ny vahoaka Malagasy tokoa no sady ahitan’ny firenena tombontsoa. Ankoatra ny fanentanana ny isam-batan’olona mba hamboly hazo dia efa mandeha ihany koa ny tetikasa PIAA, diabe, ambioka….Hampianarina manerana ny faritra maro eto amintsika ireo tantsaha mba hahay hampihatra ireo teknikam-pambolena mifanaraka amin’ny toetr’andro. Omena fitaovana sy masomboly ihany koa izy ireo ankoatra ny fampitomboana ny fahalalany mikasika ireo paikady hampiasaina manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Pati
Legende : Vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro no mampahazo vahana ny rivo-doza
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT