Actualités

Conseil national des femmes de Madagascar Mitaky ny hankatoavana ilay lalàna momba ny fanajana ny zon’ny vehivavy


  • Alarobia 21 Desambra 2022

Mitaky ny hankatoavana ilay lalàna momba ny fanajana ny zon’ny vehivavy na ilay protocole ny Maputo ny filan-kevitra nasionaly momba ny vehivavy eto Madagasikara na ny CNFM.

Hatreto mantsy dia mbola tsy nolaniana hatrany io protocole io hany ka maro loha ireo olana sedrain’ny vehivavy eny anivon’ny fiaraha-monina. Anisan’ireny ny fisitrahan’ny vehivavy ny zo ara-pahasalamana momba ny fananahana tokony hananany. Tokony hisy hoy Rtoa Estelle Amad, sekretera jeneraly eo anivon’ny CNFM ny lalàna mifehy izany ary hanan-tsafidy malalaka ny vehivavy fa tsy hoteren’ny fiaraha-monina. Anisan’ireny ny resaka fanabeazana aizana. Tokony hanan-tsafidy malalaka ny vehivavy iray hoy izy na hampiasa izany na tsia fa tsy sanatria hoterem-badiny na ny fianakaviany. Nasian’izy ireo resaka ihany koa ny mikasika ny fanalan-jaza. Ekena fa aina ny zaza miforona ao am-bohoka hoy izy saingy tokony hojerena kosa ireo vehivavy manana olana ara-pahasalamana na voaolana ka tsy afaka na vonona ny hitondra izany zaza izany mandritra ny sivy volana ao an-kibony. Tsy tokony hisy ny fanenjehana na fanerena ireo vehivavy voakasik’izany hoy hatrany ny fanazavany. Marihina moa fa nanatanteraka atrikasa tetsy amin’ny Live hotel Andavamamba ny CNFM omaly. Vehivavy manodidina ny 100 no naneho ny heviny mikasika io zo ara-pahasalamana momba ny resaka fananahana eo amin’ny vehivavy io ka hisy ny fehin-kevitra havoaka.
Pati
Legende : Rtoa Estelle AMAD, sekretera jeneralin’ny CNFM

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT