Hijery manokana ireo vehivavy lasibatry ny rivo-doza Batsirai tany amin'iny faritra atsimo atsinanan'ny Nosy iny ny fikambanana Conseil National des femmes de Madagascar (Cnfm) tarihin'ny filoha nasionaliny Rtoa Estelle.
Nisy ny hetsika tolo-tanana nokarakarainy teny amin'ny jumbo score Ankorondrano ny sabotsy teo ho an'ireo tsara sitrapo ka ankoatra ireo nanome lelavola dia tsy vitsy ihany koa ireo nanome fitafiana sy kojakoja maro samihafa. Navitrika ny mpanome tamin'ny ankapobeny. Hoentina avy hatrany any Mananjary ary hotsinjaraina amin'ireo vehivavy sy Renim-pianakaviana hita fa tena sahirana any amin'ny distrikan'i Mananjary moa ireo fanampiana ireo mandritra ny fankalazana ny datin'ny 08 martsa izay hanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny vehivavy. Tsy misy hiova moa izay fanampiana voarain'ny Cnfm fa rehefa vola dia vola no omena ireo vehivavy any amin'ity distrika iray ity ary rehefa akanjo dia akanjo no hatolotra azy. Hiaraha-miasa amin'ireo tompon'andraikitra any an-toerana kosa ny fifantenana sy fijerena ireo vehivavy tena shirana tokony hisitraka izany.
Pati
Legende : Nandritra ny hetsika tolo-tanana notanterahina tamin'ny sabotsy teo teny Ankorondrano
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.