Nosavoritahan’ny olona i Zambŕ raha avy nanendaka vehivavy iray teny Andohatapenaka teo amin’ny “Coco plastika” taloha ny marainan’ny alakamisy teo. Niditra an-tsehatra ny polisy mandrindra ny fifamoivoizana teo akaiky teo
.Niaro sy nitondra azy hatao famotorana eny amin’ny paositry ny Polisy. Mbola nikasa handositra indray anefa i Zambà nony teny an-dalana ka nifanenjehan’ilay polisy sy ireo komitin’ny fandriampahalemana teny an-toerana ka noraisim-potsiny. Niaiky izy tamin’ny fanadihadihana natao taminy fa mpanao io asa ratsy io ary eny amin’iny faritra iny no tena fanatanterahany izany. Natolotra ny Fampanoavana omaly zoma 05 aogositra izy, ary notanana am-ponja vonjimaika.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.