Niavaka kely tsy toy ny isan-taona ny fankalazan’ny Vaomieram-pirenena misahana ny zon’olombelona ny andron’ny vehivavy manerantany tamin’ny ity taona 2014 ity.
Raha ny fampahafantarana ny zon’ny vehivavy amin’ny ankapobeny na koa ny mampisongadina ny sehatry ny miralenta hatrany no mahavantana ireo fikambanana maro samihafa mijoro ho mpiaro ny zon’olombelona mpiara-miasa dia niezaka ny kaomisiona nasionaly momba ny zon’olombelona tamin’ity indray mitoraka ity ny hisafidy manokana ny hanome lanja ny zo ara-politikan’ny vehivavy izay notanterahana omaly zoma 07 martsa 2014 teny amin’ny Falda Antanimena niarahana tamin’ireo vondrona sy antokon’olona mandala ny zon’olombelona. Araka ny fanazavana nomen’ny Maître Rahantanirina Honorine, Sekretera jeneralin’ny CNDH moa dia mitovy tanteraka ny zon’ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin’ny tontolo politika. Tanjona kosa ny hahatratra ny salan’isa 50%-n’ireo toerana fanapahan-kevitra hosahanin’ny vehivavy, hoy ny fanampim-panazavany. Nanamarika io andro omaly io ny fijoroana vavolombelona sy ny fampahalalana misimisy kokoa ny antsoina hoe «méthode parajuridique» na ireo torolalana tsara ho fantatra momba ny fitrandrahana ireo karazana tranga fandikan-dalàna sy ny sazy mifanaraka amin’izany eo amin’ny fanitsakitsahana ny zon’ny vehivavy toy ny herisetra na koa ny fanolanana. Fanamarihana iray goavana nolazain’ity tompon’andraikitra mikirakira ny zon’olombelona ity ihany koa ny firongatry ny tsy fanajana ny zon’olombelona nandritra ny vanim-potoanan’ny krizy nanomboka tamin’ny taona 2009.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.