CNAPS mitety vohitra

> Afa-po ny tao Marovoay


  • Alakamisy 29 Aogositra 2013

Ny faritra Boeny indray no notsidihan’ny CNAPS mitety vohitra tamin’ny herinandro teo. Ity hetsika ity moa dia natao indrindra mba hanamora ny fidiran’ny mpiasa ho mpikambana ao amin’ny CNAPS, ny hahazoany ao anatin’ny fotoana fohy ny karatra maha mpikambana azy sy ny hisitrahany ny zony rehetra amin’ny maha mpiasa asa azy.

Tany Marovoay, ny talata sy ny alarobia lasa teo, ohatra dia haingam-piasa tokoa ny ekipan’ny CNAPS avy ao Mahajanga izay nohatevenin’ny avy aty Antananarivo tamin’ny fanatanterahana ny asa rehetra nanoratana ny anaran’ireo mpikambana vaovao sy nizarana ny karatra. Maro tokoa ny olona liana tamin’ity hetsika ity, tsapa ihany koa fa nahafa-po ireo mpiasa tany an-toerana izao hetsika izao. Fa fotoana iray hahafahan’ireo mpampianatra FRAM maka ny karatra maha mpikambana azy ao amin’ny CNAPS no sady hanaovana fangatahana ny amin’ny hahazoana ireo tombontsoa rehetra ihany koa, izao hetsika izao, hoy Atoa Razafimahatratra Clément, talem-paritry ny CNAPS ao Mahajanga. Hatramin’izay tokoa mantsy dia tsy mba nahazo izany tombontsoa izany ireo mpampianatra FRAM ireo. Efa nisy ny taratasy hofenoina momba izany nalefan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena any amin’ny CNAPS, ary ity farany no manampy ireo mpampianatra FRAM amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra, mba hahazoany ireo karazana tombontsoa tahaka ny volan-jaza, vola fanampiana mialoha ny fiterahana, vola fanampiana raha toa ka tra-doza am-perinasa, ary ny vola fisotroan-dronono. Any Andranofasika indray anio ny CNAPS mitety vohitra, avy eo dia hitodi-doha ho any Ambatoboeny sy Ambondromamy.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT