Ramatoa Claire A. Pierangelo no noteren’ny Filoha Amerikanina Joe Biden ho Ambasadaoron’i Etazonia eto Madagasikara sy ny Vondron’ny Nosy Kaomoro.
Izy no Ambasadaoro vehivavy manaraka hisolo tena ny Bekintana eto Madagasikara taorian’i Shirley Elizabeth Barnes, izay voatendrin’i Washington hiasa teto amintsika ny 29 jona 1998 hatramin’ny 28 jolay 2001, sy i Wanda Nesbit. Handimby an’i Michael P. Pelletier izay handeha hisotro ronono amin’ity volana jona ity i Pierangelo. I Pelletier, izay efa nanao veloma an’ireo tompon’andraikitra ambony, toy ny Filoha sy ny Praiminisitra. Efa niasa teo anivon’ny Kaonsily jeneralin’I Etazonia tany Lagos Nigeria moa Rtoa Pierangelo, efa nitana andraikitra lehibe tamina departemanta maro sy sampan-draharaha toy ny oniversiten’ny fiarovam-pirenena, niasa tany amin’ny Masoivoho Amerikanina tany Honoi Vietnam sy ny kaonsily jeneraly tany Surabaya any Indonénie. Miteny misosa tsara ny teny Indonezianina, Vietnamianina, ary Frantsay Rtoa Claire A. Pierangelo, raha ny mombamomba azy tsotsotra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.