Actualités

Cité Universitaire Harodana anio ireo trano naorina tsy ara-dalŕna


  • Alarobia 15 Jona 2011

Manjaka tanteraka ny gaboraraka eo anivon’ny Cité Universitaire Antananarivo.

Nanomboka ny 04 jona 2011 teo dia mirongatra ny fanorenana trano tsy ara-dalàna ao anatin’ny faritra sy ny tanin’ny oniversite tantanin’ny Croua eny Ankatso 1 sy Ankatso 2. Na lalantsara na trano fidiovana efa tsy miasa intsony na ambin-tany kely malalaka dia tsy misy miangana fa misy manangana trano avokoa. Toerana enina no ahitana ity fanorenana tsy ara-dalàna ity eny an-toerana raha manodidina ny roapolo kosa ireo trano efa mitsangana. Ankoatra ny fandikan-dalàna dia miaro halatra koa ny zava-misy satria biriky amin’ny tambohon’ny tranona profesora iray no endahina hananganana ny trano sasany, ka ankizikely no irahina hanatanteraka ilay asa ratsy. Tao anatin’ny fotoana fohy no namitana azy ireo satria miasa andro aman’alina mihitsy ireo mpiasa, araka ny fanazavana azo avy amin’ny fikambanan’ny mpianatra.

Miteraka disadisa eo amin’ny samy mpianatra ity raharaha ity satria sorena ireo nahazo trano ara-dalàna manoloana ireo mpifindra monina vaovao. Misy ireo fikambanam-piaviana sasantsasany nanamboatra trano tsy ara-dalàna eo Ankatso 2 mba hametrahany ireo ankizy tsy manan-kitoerana avy any aminy. Misy koa anefa ireo tena manao bizina aminy mihitsy ka sahy mivarotra iray ka hatramin’ny roa tapitrisa ariary ireo trano vao naoriny. Efa miparitaka manerana ny Bloc rehetra ny fampitandremana ataon’ny Croua manoloana ity tsy fanarahan-dalàna ity nanomboka tamin’iny herinandro lasa iny.

Araka ny nambaran’ny Talen’ny Croua, Andriamiarinarivo Abel dia tsy maintsy harodana avokoa ireo fotodrafitrasa ireo. Nisy ny fangatahana didy teny amin’ny fitsarana hahafahana miroso amin’izany omaly antoandro ka andrasana amin’ity anio ity ny valiny. Nomarihan’ny Talen’ny Croua anefa fa tsy misy mihitsy ny fitoriana olona. Momba ireo tranon’olon-tsotra mijoalajoala eny amin’ny faritra Ankatso indray dia nambarany fa misy fepetra tsy maintsy arahana vao afaka mandrava ireny.

Yves

sary : Miasa andro aman’alina mihitsy ireo mpanamboatra ireo trano tsy ara-dalàna

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT