Actualités

Cité du Jardin Vavahady vy fa tsy tamboho no angatahan’ny mponina


  • Alatsinainy 18 Jolay 2011

Tantara mitohy ilay famefena tamboho tetsy amin’ny Cité du Jardin Mahamasina izay marihina fa efa narodan’ny mpivarotra amoron-dalana tamin’ny alakamisy teo.

 Nanatanteraka fivoriana momba io tetikasa mampifanolana ny mpifanolo-bodirindrina io indrindra ireo tompontrano ny zoma hariva teo ka 17 amin’ny 34 izy ireo no niatrika izany. Samy manohitra ilay famefena ny lalana avokoa ireto nivory ireto. Araka ny fanazavan’ny solontenany dia misy tompontrano 7 tsy voalaza tamin’ny fisian’ny fivoriana raha 2 kosa no nilaza ho tsy momba ny atsy na aroa ka tsy niatrika izany. Nisy ny fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo nandritra io fotoana io izay nanaovana dika mitovy ka nalefa amin’ny Fokontanin’i Mahamasina, ny delegen’ny Boriborintany faha-4 ary ny PDS-n’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Nivoitra tao anatin’ilay fanapahan-kevitra ny fampahafantarana ny manampahefana fa fanamarinam-panatrehana fivoriana efa tamin’ny volana febroary 2010 izay nitakiana ny fanesorana ireo mpivarotra amoron-dalana no nampiasaina nanaovana fangatahana famefena ny tanàna. Ankoatra izay dia nokianin’izy ireo koa ny fampiasan’ny sasany ny anaran’ny fikambanan’ny tompontrano izay efa tsy misy intsony satria tamin’ny taona 1997 no nanao fivoriambe farany. Toheriny koa ny fitononan’andian’olona ho mpitantana ny fikambanana kanefa tsy manana sata mifehy azy akory ity ambara fa fikambanan’ny tompontrano ity. Nambaran’izy ireo anefa fa vonona hitady vahaolana amin’ity raharaha ity ry zareo ka soso-kevitra arosony ny fametrahana vavahady vy misokatra ny antoandro fa mikatona kosa amin’ny alina ho fitandroana ny filaminana amin’ny faritry ny Cité. Nanangona sonia manohana ireo fanapahan-kevitra ireo koa ireo mpanofa sy tranombarotra isan-karazany ary ireo tranohazo ka alefa miaraka amin’ny antontan-taratasin’ny tompontrano ho an’ny Kaominina izany.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT