Tsy naharitra herinandro akory dia rava ilay tamboho nisakana ny lalana miditra mankany amin’ny Cité du jardin Mahamasina, raha miala avy eo Anosy.
Narodan’ireo mpivarotra mampiasa io toerana io isaky ny alakamisy (tsena) ilay izy omaly maraina tamin’ny 7 ora sy sasany. Noravan’ny olona toraka izany koa ny fefy iray hafa izay vao natsangan’ny mponina sasany eny amin’ny Cité du jardin teo amin’ny sampanan-dalana ampitan’ny zaridaina Mahamasina ny alin’ny alarobia. Saika hofefena tanteraka mihitsy ity tanàna ity ka ny eo amin’ilay arabe manapaka eo anelanelan’ny Cercle Franco-Malgache sy ny kianja filalaovana tennis sisa no hasiana lalana. Tsy tontosa aloha izany hatreto noho ny hetsiky ny mpivarotra izay tohanan’ireo tompon-tanàna sasany.
Tsy nankasitrahan’ny Kaominina ihany koa anefa ilay fikasana famefena tanteraka io lalana io satria alalana hametraka vavahady vy izay azo sokafana amin’ny fotoana voafetra no nomena ireo mpangataka, araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny Kaominina ihany. Efa tafapetraka rahateo ny andry vy roa saika hanaovana ilay vavahady, araka ny hita eny an-toerana. Noezahan’ireo mpivarotra nesorina koa ireo tsatoby ireo omaly saingy tsy afaka satria nilevina lalina tamin’ny alalan’ny «béton». Marihina fa nidina teny an-toerana ny Polisin’ny Kaomisaria faha-5 eo Mahamasina izay tsy lavitra eo rahateo raha naheno ny fandravana ireo tamboho saingy tsy nanao na inona na inona izy ireo fa nijery fotsiny ny zava-misy, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso.
Andrasana izay fanapahan-kevitr’ireo andiana tompon-trano nanangana ireo tamboho sy ny Kaominina manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaha. Niezaka nanatona ny Talen’ny kabinetran’ny Kaominina ny gazety Tia Tanindrazana omaly hanontany ny heviny momba izay saingy tsy mbola
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.