Actualités

Cité des assureurs Itaosy Misy andian-jatovo migafy sy mandrahona mpianatra


  • Alakamisy 24 Novambra 2022

Misy andian-jatovo fantatra fa migafy sy mandrahona mpianatra eny amin’iny faritry ny Cite des assureurs eny Itaosy iny.

Amin’ny harivariva no tena hihaonan’izy ireo sy hanaovany izany asa ratsy izany ka izay mpianatra mandalo rehetra indrindra fa ny lehilahy mitovy aminy dia hilany vaniny sy kasihan’izy ireo tanana avokoa. Raha araka ny fitarainan’ny mpianatra maromaro efa lasibatra dia lazain’izy ireo fa maka ny sipany na ny olon-tiany izy ireo ka avy hatrany dia ratrainy sy hampirohorohoany mihitsy. Eo amin’ny faritra misy ny kianja fanaovana basket sy volley ball no tena ahitana azy ireo hoy hatrany ny loharanom-baovao azo. Vokany, miaina anaty tebiteby ireo mpianatra mandalo eny amin’iny faritra iny indrindra raha vantany vao hariva ny andro. Marihina moa fa tsy vao izao no nanao ny nataony tahaka izao ireo andian-jatovo eny amin’ny Cite des assureurs eny Itaosy. Saika isan’andro mantsy dia handrenesana adiady sy gidragidra hatrany eny an-toerana ka mahavita mifamono amin’ny antsy sy ny angady mihitsy ireo samy zatovolahy. Antso avo araka izany no hatao amin’ny mpitandro ny filaminana mba hijery akaiky ity tranga hiainan’ny mponina eny amin’ny Cité des assureurs eny Itaosy ity.
Pati
Legende : Malaza ho maditr’olona Cité des Assureurs Itaosy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT