Actualités

CISCO Antananarivo Renivohitra Nihena 15 % ireo afaka CEPE


  • Alatsinainy 11 Jolay 2016

Nivoaka omaly alahady folakandro tokony ho tamin'ny 2 ora ihany ny voka-panadinana CEPE ho an'ny fari-piadidiam-pampianaran'Antananarivo Renivohitra na dia fantatra aza fa hihemotra roa na telo andro taorian'ny mahazatra izany.



 
Ny zoma lasa teo no nanaovana ny déliberation ka 09/20 no nataony farany ambany  nifaneken'ny rehetra nanafahana ny mpiadina. Nihena 15 % ny vokatra raha oharina tamin'ny taon-dasa. Raha nahatratra 74,98 % mantsy izany tamin'ny taom-pianarana 2014-2015 dia nitotongana ho 58, 71 % tamin'ity taom-pianarana 2015-2016 ity. Tsara kosa anefa  ny vokatra raha oharina tamin'ny fanadinana CEPE andrana notanterahina ny faramparan'ny volana jona lasa teo  izay nahitana fiakarany hatrany amin'ny 12 % raha kely. Ny taranja laza olana hatrany no voalaza fa nampihena ny isan'ny naoty azon'ireo mpiadina. Manaporofo izany rehetra izany fa tsy mitsaha-mitotongana ny fari-pahaizan'ny mpianatra Malagasy ka tokony ho tonga saina ny fanjakana.  Manampy trotraka izany ny tsy fisian'ny fandriampahalemana, ny fiakaran'ny vidin'entana... Hivoaka amin'ity herinandro ity avokoa moa ny vokatra rehetra ambiny ho an'ireo fari-piadidiam-pampianarana hafa manerana ny Nosy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT