Actualités

“Ciné casting” Scoop Digital Te ho mpilalao horonantsary hatramin’ny CST


  • Alarobia 30 Mey 2012

Nahasarika olona maro ny fifantenana mpilalao sarimihetsika na “Ciné casting” karakarain’ny trano mpamokatra Scoop Digital. Nahatratra 500 ireo nisoratra anarana ka nitsapa talenta teo anoloan’ireo mpitsara ahitana an’i Bruno Razanamparany sy Arikoms Randria.

 Zazakely 7 taona no zandriny indrindra tamin’izy ireo raha misy kosa ny mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita na CST. Omaly no navoaka ny lisitr’ireo mpifaninana 120 tafakatra tamin’ny fifanintsanana dingana voalohany. Manomboka amin’ny alakamisy izao ny dingana manaraka izay misy fifaninanana 4 ary ifantenana 32. Miatrika fifanintsanana indray ireo avy eo ka 16 no raisina raha 8 no sisa tavela amin’ny fifaninana farany. “Atao mpilalao fototra sady omena fiofanana mba ho matihanina izy 8 ireo. Marihina anefa fa 3 ho entina any Thailande handray anjara amin’ny fanodinana ny horonantsary vaovao mitondra ny lohateny “104…”, hoy i Mamitiana Tale jeneralin’ny Scoop Digital. Amin’ny volana septambra 2012 no mivoaka ity andian-tantara vaovao ity. Anisan’ireo ho hita ao anatin’ilay horonantsary ny 50 amin’ireo 120 voafantina omaly

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT