Ahoana moa no hisian’ny fandriampahalemana eto amin ny firenena raha ny mpitandro ny filaminana indray no hifandrafy ?
hoy ny fanamarihan’ny olom-pirenena. Ny zoma 22 aprily 2022 tokony ho tamin’ny 12 alina , tokony ho 50 metatra miala ny vavahadin’ny CFS (Centre de Formation Spécialisés) Ivato manoloana ny Restaurant After work, dia nisy trangana fifamaliana teo amin’ny mpitandro ny filaminana roa lahy izay hitan’ny sivily maro, raha ny fanamarihana. Zandary 2 nanao fanamiana izay an-kevitry manao fisafoana. Mahamenatra ihany ny zavatra tahak’ireny satria mampihena tanteraka ny fahatokisan’ny vahoaka ny mpitandro ny filaminana ny filaminana, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra. Rehefa nilamindamina dia nandrenesana feo teo hoe: “any amin’ny “camp” mifampitady rahampitso", araka ny fitantarana. Fa anga tsy misy lehibe? Misy ny nanao antso avo Manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra ihany amin’ny zavatra tokony apetraka fa misy tsy mety. Vao tsy ela izay no nisy miaramila maty voatsindrona antsy tany anaty fitateram-bahoaka noho ny fifamaliana nisy, raha ny fampahatsiavina, ary misy tranga hafa mivoaka indray itony. Tokony ho fitaratra ary tsy hanome ohatra ratsy eny imasom-bahoaka ny mpitandro ny filaminana. Sanatria finiavana hanakiana sy hitsikera, fa misy ireo tsy mahay mitondra tena, tsy mifanaja, tsy manaja ny hafa,… ary manapatra fahefana. Ny sasany tsy tahotra tsy henatra manao fanamiana miaramila kanefa dia hita misotro alikaola any anaty bara. Misy mitondra fitaovam-piadiana mihitsy, ary tsy vao indray mandeha no nahenoana ny fisiana mpitandro filaminana nitifitra olona noho ny hamamoana. Lasa loza mitatao ho an’ny vahoaka raha izay no fisehoany. Izay no mila hanamafisana ny fepetra sy fanadihadiana lalina indrindra fa ny lafiny ara-pitondran-tena na “enquête de moralité” amin’ny fifaninanana mba tsy sanatria noho ny kolikoly no nahafatafidirana tao, izay lasa poizina ho an’ny firenena sy ny fiarahamonina raha vao izay.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.