Actualités

CES Tadiavina hampidirana resa-piaviana sy politika


  • Alatsinainy 22 Jolay 2013

Maty hasina ny fitsarana. Tsy mahagaga raha saropiaro ny mpitsara Malagasy manoloana ny fikasan’ny sasany, hampiditra resaka politika amin’ny fanavaozana ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana na CES.

Eo aloha ny Iraisam-pirenena izay hita miharihary ankehitriny fa tsy mahafehy mba tsy hilazana fa tsy mahalala akory ny lalàna Malagasy, ka misisika ny hanovana lalàna fehizoro amina didy hitsivolana, fepetra izay mandika tsotra izao ny voalazan’ny andininy faha-89 amin’ny lalàmpanorenana. Ankilan’izany, ireo volavolan-dalàna mivoaka avy amina andrimpanjakana, toy ny primatiora, ny CSC sy ministera misahana ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana ary koa ny an’ny “Collectif des Candidats” izay te hampiditra resaka politika sy resa-piaviana tsotra izao ao amin’ny CES.

Asa na mbola fitsarana no iheverana ny CES ao anatin’izany na hampitoviana lasitra amin’ny CENI-T ka hoe hasiana solontenan’ny kandida, na koa solontenan’ny vondrona politika mpanao sonia ny tondrozotra na Administratera sivily. Ny fakafana fanapahan-kevitra politika anefa no efa nanakianana ny CES raha namoaka ny lisitr’ireo kandida hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena, nefa izao dia atosika hiditra amin’izany indray. Fandinihana ireo volavolan-dalàna samihafa ireo indrindra no anton’ny filankevitry ny governemanta hatao anio eny Mahazoarivo, ka dia ho hita eo ny tohiny, fa raha izao fisehony izao aloha dia mety tsy ho tratra ny 31 jolay fe-potoana nofaritan’ny GIC-M hanovana ny CES.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT