Actualités

CER Vakinankaratra Hanarina ny lesoka


  • Zoma 12 Aogositra 2011

«Nahatsara zavatra ny fidinan’ny OIF nijery ifotony ny lisi-pifidianana ahitana ireo lesoka hanatsarana ny lisitra», hoy Ratovondrajao Frédon Armand mpikambana ao amin’ny CENI Nasionaly ary mpiahy ny Faritra Vakinankaratra raha nitafa sy namory ireo mpiadidy ny fifidianana teo anivon’ny Distrikan’Antsirabe I ny tenany ny alarobia 10 aogositra 2011.

 Ao anatin’ny fotoana fandraisana ny fitarainana sy fanamarinana ny lisitra mihitsy ny mpifidy amin’izao ka entanina mba samy hijery izany eny anivon’ny fokontaniny tsirairay ka hatramin’ny 20 aogositra io fotoana io ary fanamby, hoy izy no apetraka fa ho tomombana io lisitra io aorian’izay. Nanamarika ity tompon’andraikitra ity fa na aorian’io daty voalaza io aza dia mitohy hatrany ary tsy miato ny fanatsarana ny lisi-pifidianana satria miditra hatrany ireo feno 18 taona ary miala ireo maty. Ankoatra izay dia napetraka ary ho matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpitondra ny Fokontany sy ireo mpiadidy ny fifidianana amin’izao fanitsiana farany izao mba tsy hiverenan’ny hadisoana toy ny teo aloha iny. Antenaina, araka izany, fa ho afaka ny ahiahin’ny maro amin’izay mety tsy hahatafiditra azy ao anaty lisitra intsony satria dia hisy fanentanana ranolava atao amin’ny haino aman-jery manomboka izao.

 

Caïus R.

 

Sary : Ratovondrajao Frédon Armand

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT