Actualités

CEPE tany Manandriana 71 isan-jato ny taham-pahafahana


  • Sabotsy 27 Jolay 2013

Ny Cisco Manandriana no nahafeno ny voka-panadinana Cepe voalohany tao amin’ny Faritra Amoron’i Mania.

Nisy mpiadina 2.199 niatrika izany fanadinana Cepe izany ny talata 16 jolay teo, afaka soa aman-tsara ny 1.570 tamin’ireo izay manome ny salan’isa 71%. Nisy fiakarany io taham-pahafahana io raha ampitahaina tamin’ny taon-dasa araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra ao amin’ny DREN Amoron’i Mania. Sekoly EPP iray tao amin’ny Kaominina Ambohimahazo no nahazoam-bokatra tsara indrindra tao amin’ny Distrika Manandriana izay nahatratra 95,35%, tany Andakakatanibe kosa nahatratra 50% ary tsy nisy taham-pahafahana ambanin’ireo tao amin’ny Cisco Manandriana. Tsara ny vokatra nefa mandra-piandry ny ny valim-panadinana hidirana amin’ny kilasy faha-6 dia efa maro ireo ray aman-drenin’ny mpianatra nahafa-janaka Cepe no efa mivaky loha sahady ny sekoly hampidirana ireo mpianatra ireo any amin’ny tsy miankina satria voafetra ihany ny Ceg handray azy ireo.

 

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT