Actualités

«Centrale d’achat» ho an’ny Tantsaha Malailay fonosana Rakotovao Rivo


  • Sabotsy 23 Jolay 2016

Nanangam-bovona ny minisitra Rakotovao Rivo, nanakiana ny vina iarahan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Kaominina Ambanivohitra Ampitatafika hanangana

Tsenambokatra iombonana (Central d’Achat) hitsinjovana ny tantsaha. Toa mihevitra ingahy minisitra fa izy ihany no mahay sy afaka mitondra fampandrosoana ny eny ambanivohitra sy fanasoavana ny tantsaha.

Ela fidona ny minisiteran’ny fambolena iandraiketan-dRakotovao Rivo ka rehefa ny Kaominina no mamaha olana amin’ny fahorian’ny tantsaha amin’ireo fokontany 13 mandrafitra ny kaominina Ampitatafika, vao tongatonga fofona be. Raha nahavita sy nahomby izy, angamba notazonina nanohy ny fitantanana ny minisitera misahana ny fanatanterahana ireo tetikasan’ny filoha (Projet Présidentiel), fa tsy nafindra andraikitra. Mba tsy nesorina tao anaty governemanta mihitsy aza.

 

Ny ahafantaran’ny mponin’Antananarivo ny minisitra Rakotovao Rivo izao dia tsy misy afa-tsy ny fanaovana bodongerona ny tanin’olona sy ny fanaovana ramatahora no laharam-pahamehany. Mbola tsaroana ny antsojay nanaovana izay hivangongoan’ny fako teto an-drenivohitra amin’izay tsy hahavita na inona na inona ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana fa ho lany andro amin’ny fandraofam-pako fotsiny mandritra ny fe-potoam-piasany. Aiza izao ilay hoe : fiantsonan’ny fiarakodia misy rihana nampanantenaina fa hatao etsy Antaninarenina ? F’angaha moa tsy hoe hanaovana toeram-pivarotana manara-penitra sady misy rihana ihany koa etsy amin’ny tsenan’i Pochard sy Petite Vitesse ? Ilay Andohatapenaka nilomaizana ka nolazaina fa hanaovana “Gare routière” mikatso, fa natao aiza ilay tetikasa Ambohijanaka ?

 

Malailay fonosana ny minisitra Rakotovao Rivo rehefa ny Kaominin’Antananarivo-Renivohitra no mihetsika sy mahazo fiaraha-miasa amin’ny any ivelany. Sa misy lalàna vaovao indray angaha milaza fa tsy mahazo miara-miasa ny kaominina an-tanàn-dehibe sy ny kaominina ambanivohitra hanangana «Central d’Achat» hanampiana ny tantsaha ?

 

Jean D.

                                                                                                     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT