Actualités

CENIT Kianin'ireo mpomba an-dRajoelina ?


  • Alarobia 13 Jona 2012

Manara-dia ny CENI ve ny CENIT ? Izay indray izao no fanontaniana tsy afaka am-bavan'ny maro tato ho ato, indrindra taorian'ny namoahana ny ampahany amin'ny tetiandro fiomanana amin'ny fifidianana.

 Na dia dila tokoa aza ny fe-potoana omen'ny lalàna ny CENIT dia tsy mbola namoaka daty mazava hanatanterahana ny fifidianana ity vaomiera mahaleotena ity. Nifantoka tamin'ny fiomanana dia ny fametrahana ny rantsamangaika sy fanaovana ny lisi-pifidianana ny asa nambara fa ataon'ny CENIT hatreto aloha. Tsy mbola voavaha ihany koa ny resaka tetibola iasana hatramin'izao. Ny somary nanaitra aza, tato anatin'ny andro vitsivitsy izay dia manomboka kianin'ireo mpomba an’i Andry Rajoelina ny CENIT, izay ambaran'izy ireo fa tsy tena matihanina tsara amin'ny asa tokony hataony. Nanaovan'ny onjampeo Viva famakafakana manokana mihitsy moa, omaly antoandro ny momba ity vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita ity. Tsy tongatonga ho azy ny zavatra tahaka izany.

Efa karazana porofo iray manambara fa manomboka tsy mahazohazo an-dRtoa Atallah Beatrice sy ireo mpiara-miasa aminy, ny ekipan-dRajoelina. Nivavaka mafy ny amin'ny hanatanterahana fifidianana ao anatin'ny fotoana faran'izay haingana tokoa mantsy ny FAT, mba hahafahany mahazo tombony amin'ny fifehezana ny fahefana eto amin'ny firenena. Tsy tanteraka anefa izany, hita ihany koa fa manomboka tsy manaiky ny baiko sy teny midina tadiavin'ny sasany atao, ny CENIT. Mazava rahateo ny resaka fa tsy afaka ny hanjaka ao anatin'ity rafitra ity ny FAT satria efa manana solontena ao ny mpanohitra sy ny teknisianina, ary manara-maso akaiky ny fiasan'ny CENIT ny sehatra iraisam-pirenena. Rehefa dinihana tsara ny zava-misy dia, tsy hisy fifidianana amin'ity taona 2012 ity.

Amin'ny mey na jona 2013 any vao mety hirosoana ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka. Io no fe-potoana azo heverina he ampy hiomanana sy hametrahana fitoniana, manery an-kolaka antsika amin'io ihany koa ny firenena mikambana sy ireo fikambanana iraisam-pirenena maro samihafa, izay hamatsy vola sy hanara-maso ny fifidianana ihany koa. Azo ambara, araka izany, fa tsy manan-tsafidy ny CENIT. Tsy maintsy miandry fa tsy hirotoroto hanao fifidianana maimaika, araka ny nofinofin'ny sasany. Koa mety ho izay angamba no mahatonga ireo mpomba an-dRajoelina hanakiana ny CENIT, izay manomboka mijoro sy tsy mety atao fitaovana politika intsony.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT