Nahazo fanasana avy amin’ny EISA na ny Electoral Institute Southern African hanara-maso ny fifidianana kaominaly any Afrika Atsimo izay hotontosaina ny 18 mey izao ny Ceni Malagasy.
Solontena telo no hamita iraka any an-toerana dia ny filohan’ny Ceni, ny toniany ary kaomisera misahana ny fifidianana iray. Anio tolakandro no hanainga ny delegasiona raha efatra andro eo ho eo no tena ifantohan’izy ireo amin’ity asa fanaraha-maso ity izay hofaranana amin’ny fanomezana ny tatitry ny zavatra hitany nialoha, nandritra ary taorian’ny fandatsaham-bato. Hihaona sy hanatanteraka dinik’asa miaraka amin’ireo tomponandraikitra misahana ny fifidianana ao Afrika Atsimo koa anefa ry zareo mandritra ireo andro ambiny araka ny nambaran’i Hery Rakotomanana, filohan’ny Ceni. Ity farany izay nanoritsoritra mafy fa resaka teknika tanteraka no anton-dia any an-toerana fa tsy misy idiran’ny politika velively akory.
Momba ny fanomanana ny fifidianana eto an-toerana dia efa lavitr’ezaka ny dingana efa vita momba ny fandrafetana ny lisi-pifidianana ho an’Antananarivo renivohitra. Amin’ireo taratasy fanoratana ny anaran’ny mpifidy isan-tokantrano na FRE miisa 384.864 naparitaka dia efa tafaverina eny amin’ny Ceni ny 258.106 isa, izany hoe ny 67% eo ho eo. Ny 30 aprily lasa teo kosa no naparitaka ireo FRE ho an’ny faritany raha ny 04 mey no nomena baiko hanomboka ny fanovana ny lisi-pifidianana ireo rantsamangaikan’ny Ceni rehetra. “Any amin’ny tapaky ny volana jolay any ho any no heverina hamaranana ny lisitra vonjimaika raha ny tapaky ny volana septambra no vinaina hamoahana ny listra tena izy”, hoy i Hery Rakotomanana. Nohararaotiny moa ny namaly ireo fanakianana nataon’ny mpanao politika maro izay nilaza fa tsy misy tokotaniny ny fanomanana ny fifidianana any amin’ny faritra fa teren-ko masaka ao anatin’ny enim-bolana fotsiny. Nambarany ary fa efa tafapetraka avokoa ankehitriny ireo rafitry Ceni eny amin’ny Faritra, Distrika, Kaominina ary hatrany anivon’ny Fokontany koa. Nosoritany mazava koa fa tsy anjaran’ny Ceni akory no mamoaka ny datim-pifidianana sy milaza ny karazana fifidianana hotontosaina fa ny dingan’ny fanomanana ihany no sahaniny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.