Actualités

Cemgam Namory maika ireo «Chef de corps»


  • Talata 05 Aprily 2011

Niteraka fisavorovoroana teo anivon’ny miaramila ny fisamboran’ny zandarin’Itaosy an’ny kaporaly Malala.

Io farany dia voarohirohy tamin’ny heloka bevava maromaro niaraka tamin’i Solo Paingotra. Raha araka ny fantatra dia novorian’ny Lehiben’ny etamazaoron’ny tafika (Cemgam) omaly ireo lehiben’ny toby tsirairay avy mba hamantarana izay tena iasan’io kaporaly io. Tsy iza anefa ny kaporaly Malala fa miasa eo anivon’ny Cofod ary ny tobin’ny RM1 no tena niaviany. Izy dia niteny mazava fa tena ao anatin’ny «bande des 12» izay tsy mety ravan’ny mpitandro ny filaminana raha tsy amin’izao fotoana. Ny marimarina kokoa raha tsy ny zandarin’Itaosy, izay tsiahivina ihany fa nisy iray voatifitra tamin’ny olony, no nandray an-tanana ny raharaha. Misy polisy, misy miaramila ary misy mpitandro ny filaminana hafa mbola tadiavina amin’ity raharaha ity.

Tsy nitarain-tana-miepaka ny zandary tamin’ny fanatontosana ny fanadihadiana ary efa nisy rahateo ny «protocole d’accord» izay nohavaozina sy nosoniavina farany teo. Manipika mazava izany fa afaka mifampisambotra amin’izay ireo rehetra ao anatin’ny vondron’ny mpitandro ny filaminana rehefa misy ny tsy mety ataon’ny sasany ka hita mibaribary. Ireto miaramila sy polisy ireto izany no nisantatra an’izany. Anio maraina dia fantatra fa hamory ny mpanao gazety ny lehiben’ny vondron’ny tobim-pileovana Analamanga ary hampafantatra mazava tsara ireo jiolahy sy ny fomba fanafihany mialoha ny hanaterana azy ireo eny amin’ny fampanoavana. Mahakasika ity famorian’ny Cemgam, ny jeneraly Ndriarijaona André, ny olony omaly ity ihany dia fantatra ihany koa fa misy hifandraisany amina fikasana hanongam-panjakana avy ao anatiny izany indray. Io aloha hatreto dia mbola miainga amin’ny feo fotsiny ihany saingy na izany aza dia tsy ataon’ny Etamazaoro ambanin-javatra. Midika izany fa tsy milamina ny tany !

 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT