Actualités

«Cellule de crise» sy Alain Andriamiseza Tsy mifanara-kevitra sahady


  • Alarobia 31 Jolay 2013

Na dia tsy mitovy aza ny foto-kevitra ijoroana dia azo ambara fa iray ihany ny tanjona ho an’ny «Cellule de crise» sy ny komity manohana ny fehinkevitry ny FFKM tarihan’i Alain Andriamiseza.

Niombonan’ny roa tonta ilay hetsika famoriam-bahoaka saika hatao tetsy Antsahamanitra ny sabotsy 27 jolay lasa teo izay nofoanan’i Alain Andriamiseza tamin’ny fotoana farany noho ny filazany fa tara loatra ny fahazoana ny taratasy avy amin’ny prefektiora ka tsy nahafahana nanao ny fandaminana rehetra. Nilaza kosa Rasolofo René, CST nesorin-dRajoelina fa nisy ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny samy mpitarika ny hetsika satria nifanarahana ny fanatontosana azy nefa fanapahan-kevitra samirerin’i Alain Andriamiseza no nanafoana azy. Mbola tamin’ny haino amanjery koa aza no nahalalana ny fiovan’ny programa, hoy hatrany Rasolofo René. Toa mifanipaka an-karona sahady ireo mpanohitra ny fanalavana ny Tetezamita, araka izany. Araka ny loharanom-baovao akaiky azy mirahalahy ireto anefa dia karazana valifaty no ataon-dRasolofo René satria notebahan’i Alain Andriamiseza imason’ny mpivory rehetra ny tenany nandritra ny fivoriana nanomana iny hetsika nitsefotra iny noho izy lasa mpanenjika an-dRajoelina rehefa nesoriny tamin’ny sezany nefa hatrizay mpanohana ny filohan’ny FAT fatratra. Raha izy samy izy aza mifanipaka an-karona vao misantatra ny fiarahana, inona moa izany no vokatra azo antenain’ny vahoaka amin’izy ireo ?

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT