Nitrangana toe-javatra hafahafa tao amin’ny CEG Radama Voalohany ao Toamasina omaly.
Vehivavy iray lavabe, lava volo no sady ratsy tarehy be manao fihetsika mampitandrina no no voalaza fa hitan'ireo mpianatra miisa 40 mahery izay nitsipatsipaka, nikiakiaka sy nitomany teo an-tokontanin-tsekoly. Nisy mihitsy no torana sy tsy nahatsiaro nandritra izany. Raha araka ny nambaran’ireo mpianatra dia nisy nanota fady ny sasany tamin'izy ireo mpianatra nandritra ny fitsangatsanganana nataony tany amin’ny Cascade Park Ivoloina ny sabotsy lasa teo. Nisy naka vola tao amin'ny fanaovana joro ny sasany tamin’izy ireo raha nisy koa ireo nandro ka nivalan-drano tao anaty ranon'ny cascade raha ny nambaran'izy ireo hatrany. Vehivavy avokoa moa ny ankamaroan’ireo mpianatra nihitsinjitra sy nitomany toy ny nihetsika ambalavelona ireo hoy hatrany ny vaovao. Voatery nakana mpiandry izy ireo noho izany nametrahan-tanana sy noroahina devoly .
Nangonin’i Pati
Legende : Tsy nety raha tsy nametrahan-tanana tahaka izao izy ireo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.