Nampametra-panontaniana ny zava-nitranga tetsy amin’ny CEG Antanimbarinandriana omaly zoma. Nisy nametraka baomba fôpla tao am-pianarana. Tao anatin’ny nanaovan’ny mpianatra fanatanjahantena tao Mahamasina no nisy nametraka tao anatin’ilay efitrano ilay fonosana mampiahiahy ary mbola ny mpianatra ihany no nilaza tamin’ny SG. Misy mpiambina anefa ity sekoly ity ary voalaza fa nahazo toromarika manokana ny mpiambina mba ho mailo taorian’ny trangan-javatra teo amin’ny Sainte Famille tamin’ny volana lasa iny. Naato mihitsy ny fampianarana tao amin’ity sekoly ity omaly tolakandro. Misokatra ny fanadihadiana.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.