Actualités

CD piraty Nisambotra i Gégé Rasamoely


  • Alarobia 31 Aogositra 2011

Omaly no nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny horonantsary mitondra ny lohateny hoe : «Ankamantatra II».

Omaly ihany koa dia efa nisy nahavita ny CD piraty mahakasika izany. Tezitra mafy i Gégé Rasamoelina izay sady mpilalao no mpamokatra. Izy mihitsy no nidina teny amin’ireo toerana fivarotan’ny sasany CD piraty. Teny Andravoahangy sy Andoharanofotsy no nahitana maro an’izany. Raha ny fanazavany dia mahatratra roapolo mahery ireo kapila tratra tamin’ireo toerana ireo. Io mpilalao fanta-daza io ihany koa no nanazava fa tena raikitra ny sakoroka nandritry ny fisamborana.

Nanohitra mantsy ireo mpivarotra. Tonga hatrany amin’ny fitoriana sy fanolorana ireo olon-dratsy mpamotika ny vita Malagasy teny anivon’ny fampanoavana ny raharaha. Tsotra tokoa ny manao piraty amin’izao vanin’andro iainantsika izao noho ny fivoaran’ny teknolojia. Maro ihany ny fepetra efa noraisina toy ny fanasiana “hologramme” ny kapila tena izy, saingy tsy nanakana ireo mpanao hosoka izany. Mazava ho azy fa ny lakilen’ny ady amin’ny hosoka dia any amin’ny mpanjifa. Mila resy lahatra izy ireo fa miankina amin’ny kapila lafo no ahafahan’ny mpamokatra miarina sy manatsara ny zava-bitany…Tsy dia lafo loatra rahateo ny CD gasy, hany ka tsy misy antony tokony hividianana ny piraty.

 

Samy

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT