Fepetra iray tena goavana ny fifampitokisana amin’ny fandrafetana ny lisi-pifidianana izay tafiditra amin’ny dingan’ny fanomanana. Raha ny zava-misy amin’izao volana iray latsaka mialoha ny fandatsaham-bato ny zoma 25 oktobra 2013 izao no resahina dia ahiana ny fahataran’ny fizarana ireo kara-pifidianana amin’ireo olom-pirenena manan-jo hifidy, araka ny fomba fijerin’ny “Collectif des Citoyens et des Organisations Citoyennes”. Ny lalàna velona mifehy ny fifidianana ankehitriny mantsy dia milaza fa mifarana 15 andro mialoha ny fampiantsoana ofisialy ireo mpifidy ny lisi-pifidianana, izany hoe ny alarobia 09 oktobra. Manomboka ny alakamisy 10 hatramin’ny zoma 25 oktobra kosa ny fizarana ireo kara-pifidianana. Vokatr’izany dia miteraka ahiahy ny fotoana tena fohy nandrafetana ity lisi-pifidianana ity ary mety hisy mihitsy ireo mpifidy no tsy afaka haneho ny safidiny amin’io fotoanan’ny fandatsaham-bato io, hoy ny CCOC.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.