Actualités

Cash point eto an-drenivohitra Betsaka ireo lasa manambaka mpanjifa


  • Talata 25 Oktobra 2022

Miitatra ny hafetsen’ireo mpanao cash point eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

Taorian’ny fampandoavana vola ny mpanjifa manao petra-bola anaty finday sy ny fakana sarany 100 Ar isaky ny mampiditra fahana 500 Ar dia lasa mamely mafy any amin’ny fandefasam-bola indray ny sasany amin’izy ireo ankehitriny. Raha tokony ho 2.000 Ar ohatra ny saran’ny mandefa 50.000 Ar dia hampiakarin’ny sasany hatrany amin’ny 3.000 Ar izany amin’izao. Misy mahasahy miteny 4.000 Ar mihitsy aza izy ireny koa raha tsy manontanintany ny mpanjifa dia tena voamafy tokoa. Milaza ireo mpanao cash point nanontaniana fa hatrany am-potony mihitsy no mampiakatra io sarany alaina amin’ny mpanjifa io. Amin’ny ankapobeny anefa dia tsy niakatra izany. Raha niakatra mantsy izany dia tokony miara-mampiakatra avokoa ny cash point rehetra fa tsy folo na 20 isa monja. Antso avo araka izany no hatao amin’ny Ministeran’ny varotra. Tokony hisy ihany koa ny fanaraha-maso hatao amin’ireny mpanao cash point ireny fa tsy avela hanjaka tokana amin’izao toy ny tranga nisy tany amin’iny faritra Antsirabe iny, renivohitr’i Vakinankaratra.
Pati
Legende : Tsy menatra ny maka vola betsaka amin’ny mpanjifa mihitsy ireo mpanao cash point sasany
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT