Tanterahina hatry ny omaly ary hitohy anio tontolo andro etsy amin'ny tokotany malalaky ny gara Analakely ny andiany fahadimy amin’ny «Carrefour des Entrepreneurs» karakarain'ny «Jeune Chambre International Antananarivo».
Hetsika natao indrindra hanomezana vahana ireo tanora sy mpandraharaha te hisondrotra sy hanana anton'asa ambonimbony kokoa izy ity. Manodidina ny 25 eo ho eo ireo tranoheva mandray anjara amin'izany ka anisan'ireny ny an’ny ministeran'ny jono amin'ny maha ministera fahadimy mampidi-bola betsaka azy indrindra ity eto Madagasikara. Notsindrian'ny Sekretera jeneraliny Razafiarison Naina fa Nosy i Madagasikara voahodidina ranomasina nefa tsy latsa-danja amin'izany ihany koa ny ranomamy izay tokony hitondra asa vaovao sy marobe ho an'ny tanora ankehitriny. Efa manao ezaka goavana izy ireo araka nambarany ihany mba hampivondronana ireo mpanjono madinika ary hamaritra mazava ny tena isan'izy ireo marina. Ankoatra izay dia hijery manokana ny lafiny ara-pitaovana ihany koa ity ministera iray ity mba hampanaraham-penitra ny asa fanjonoana eto amintsika. Farany dia hangataka amin'ny fitondram-panjakana ihany koa izy ireo mba hahafahana mandray teknisianina vaovao izay nomarihin'ity Sekretera jeneraly ity fa tena tsy ampy tokoa amin'izao fotoana izao. Tsara ny manamarika fa misy hatrany ny kaonferansa tanterahin'ireo sehatra miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana ao anatin'ity salon ity ka omaly hariva ohatra dia ny banky BFV SG no nanatanteraka izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.