Nanaitra na koa nezahina novoizina faran’izay mafy tamin’ireo gazety sy haino aman-jery teto amintsika ny fahatongavana fiaramanidina amerikanina mpitondra entana (Cargo) omaly
Dia niteraka resabe tokoa izy io teny amin’ny fiarahamonina na dia tsy tokony hahagaga ihany aza. Araka ny fanamarihana azo avy amin’ny masoivoho amerikanina dia zotram-piaramanidina diplomatika efa mahazatra io zotra io. Tonga teto amintsika izy nitatitra kojakoja fampiasa amina birao. Raha ny vaovao ihany dia efa nahazo ny fahazoan-dalana avy amin’ireo ministera voakasika ny masoivoho amerikanina nahazoan’io fiaramanidina io nihantsona teny Ivato dia ny ministeran’ny raharaham-bahiny sy ny ministeran’ny fitaterana.
Tsy eto amintsika ihany no andehanan’izy io fa manerana ireo masoivoho amerikanina amina firenena maro. Raha ny zavatra hita sy re dia nezahina navadika ny resaka, tahaka izay fanaon’ireo mpomba ny fitondrana hatramin’izay. Iaraha-mahalala fa tsy mitovy mihitsy ny tadindon-kanga eo amin’ny fitondrana amerikanina sy ny FAT. Ezahina volena ao an-tsaina ny fankahalana vahiny, indrindra fa ny Amerikanina satria tsy mankasitraka ny mpanongam-panjakana sy ny tsy ara-dalàna ny bekintana.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.