Re omaly alina fa nisy fivorivoriana indray tao amin’ny tobin’ny Capsat. Tsy mbola fantatra aloha ny votoatin’ny dinika. Efa nivoaka tamin’ny haino aman-jery ihany koa fa misesisesy ny fivoriana miafina mandeha tato ho ato eo anivon’ny miaramila. Inona indray no mety ho zava-mitranga ? Teo aloha ilay resaka nampisavoritaka dia ny hoe fanenana ny karama noho ny nahazoana ireo akanjo sy kiraro izay natao hoe fanomezana kinanjo tadiavina hotsoahina tamin’ny karama tampoka indray, roa volana taty aoriana. Efa nalamina iny rehefa niditra an-tsehatra ny jeneraly iray ka nanazava fa lainga nafafy izany fa tsy misy karama mihena izany. Teo ihany koa ny fisian’ny fikasana hanafika ny toby iray eto an-drenivohitra ny zoma 20 mey lasa teo. Io indray dia ahiana mbola miaramila ihany koa no ao ambadiky ny fanafihana, raha araka ny fanampim-baovao azo tamin’ny loharanom-baovao akaiky ny tafika. Ireo fivoriana miverimberina sy miafina etsy sy eroa eo anivon’ny miaramila ireo dia toa mampanontany tena ny maro hoe inona no kononkononina ? Indrindra rehefa ao amin’ny Capsat izay matetika fiandohan’ny hetsiky ny miaramila no atao ny fivoriana ?
r.d
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.