Actualités

CAN-Fandresen’ny Makis de Madagascar Mbola nampidirana resaka politika


  • Alatsinainy 09 Jolay 2012

Anisan’ny mpanao politika tsy nahatanty fa niantso an-telefaonina avy hatrany taty amin’ny gazety Tia Tanindrazana ny Rév. Satrobory taorian’ny fandresena azon’ny Makis de Madagascar tamin’ny lalao rugby tompondakan’i Afrika, sokajy B, nandreseny ny Namibianina omaly tetsy Mahamasina.

Ankoatra ny fahafaliany toy ny Malagasy maro ka nilazany fa “faly amin’izao fandresen’ny Makis izao ny tenako, indrindra nahavelombolo ahy ny filazan’ny mpanazatra sy mpilalao fa ho an’ny voninahitry ny Malagasy iny fandresena azony iny. Misaotra manokana an’ireo rehetra nankahery indrindra ireo mpanao politika nanohana manokana tonga teny amin’ny kianjan’Antanimena sy ny teny an-dapa. Mitodika manokana amin’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina aho, hoy izy, fa ny fifandraisanareo tanana no hamaha ny olana eo amin’ny tanora Malagasy fa ho azontsika hatrany ireo amboara lehibe aty Afrika amin’izay sy ho tonga any amin’ny amboara eran-tany mihitsy aza.

Nohararaotiny koa tamin’ity firesahana tamin’ny Tia Tanindrazana ity ny nanitsy anaran’olona sy fikambanana diso tsipelina tamin’ny lahatsoratra mahakasika azy nivoaka tamin’ny sabotsy teo (lah. 865). Nambarany fa i Jean Poirer fa tsy Poiret ilay vazaha voalaza anaty lahatsoratra. Tahaka izany koa ny hoe Jahasa fa tsy Johasy. Kongresin’ny TSD fa tsy an’ny PSD ny tao amin’ny “Ecole Normale Mahamasina”. Ilay fikambanana mifandray amin’ny AKFM koa dia FTDM fa tsy FTKM. Haka fanjakana tamin-dRatsiraka koa no niakarana nitondra ny fatin’ilay mpianatra tao amin’ny JJ Rabearivelo ary Atoa Moise Rakotosihanaka lehiben’ny arofenitra no tao. Farany Niaraka tamin’ny raiamandreny Monja Jaona ny tenako, hoy izy, naka ny Biraon’ny Faritra Toliara nataonay foibem-pifandraisana.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT