Be izay sioka nitranga tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izay fa omaly dia tafahoatra loatra.
. Tsy nifandrenesana mihitsy ny siontsiokan’ny mpijery raha vao nitsangana hikabary ny praiminisitry ny FAT Camille Vital tao amin’ny fanokafana ofisialy ny Afrobasket Man 2011, ary tsy nijanona izany mandra-pahavita ny kabariny. Gaga hatramin’ny vahiny rehetra tao anaty kianja na dia ireo efa teto tamin’ny Afrobasket Woman tamin’ny 2009 aza satria tsy mba siontsioka fihobiana no heno fa siontsioka mifanohitra amin’izay. Ary teo imason’ny Dr Leonardo Simao (SADC), izay tonga teny an-toerana, ihany koa izany no nitranga. Voatery nalefa mafy araka izay tratra ny fanamafisam-peo ahenoana ny hafatra izay tany am-boalohany tsy tany amin’ny farany no nisian’ny resaka basikety natrehana fa tao am-povoany tao dia nosisihana resaka politika tsotra izao.
Efa niharan’izany i Andry Rajoelina tamin’ny fandraisana ny Afrobasket Women farany teo. Mety ho izany angamba no tsy niverenany tao intsony fa nomeny ny praiminisitra ny fanokafana amin’ny fomba ôfisialy ity lalao iraisam-pirenena eto Afrika ity. Gaga ireo mpandray anjara afrikana marobe nahita ny horakoraka. Miteny hoazy ny sary ny amin’ny tsy fankatoavan’ny Malagasy intsony ny fitondràna ankehitriny, eny fa na dia teo aza ny ezaka nataony tamin’ny fanatontosana ity lalao iraisam-pirenena izay nolazain-dRajoelina fa mety ho tetezana iray mankany amin’ny fankatoavan’ny fianakaviambe afrikana izao fitondràna misy izao...
Na teo aza izany dia tsy hadinon’ny jeneraly Camille Vital kosa anefa omaly ny nampahery ny mpilalao malagasy manokana ary ny nirary soa ny rehetra sy nanamafy ny tenin’ny filohan’ny FIBA Afrika nilaza fa : «izay mendrika no tokony handresy ary ampanjakao ny firahalahiana !». Nambaran’ity filohan’ny FIBA Afrika ity moa fa mifanandrify indrindra amin’ny faha-50 taonan’ity rafitra tantanany ity izao andiany faha-26 amin’ny Afrobasket Men atao eto Madagasikara izao.
Manohy sy Samy
SARY : Ny jeneraly Camille Vital tetsy Mahamasina omaly
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.