Manjaka ny gaboraraka sy ny fanodinkodinam-bola ao amin’ny orinasam-panjakana “Caisse d’épargne de Madagascar” na CEM raha ny nambaran’ny sendikan’ny mpiasa, “ny Sendikalisma Vahaolana Sahaza (SVS)”.
Mahatratra 1.000 tapitrisa na iray miliara ariary mahery ny vola banga tao amin’ity orinasa ity ka tao amin’ny Masoivoho ao Mahajanga no nisy nanodinkodina ny 400 tapitrisa ariary, 200 tapitrisa ny tao amin’ny foibe eto Antananarivo, 140 tapitrisa ariary ny tao Ambatolampy, 20 tapitrisa ny tany Antsiranana ary mbola nisy hafa koa tao Tolagnaro izay tsy mbola voafaritra mazava ny habetsany. Araka ny nambaran-dRambeloarivelo Rabemanantsoa, filohan’ny SVS dia ny fampiasana ilay programa informatika na «logiciel» Harena, mihitsy no manamora ny fangalaram-bola.
Efa nampahafantarina ireo halatra bevava ireo ny mpitantana ny CEM saingy tsy nisy ny fepetra noraisiny, hoy izy. Fa anisan’ny fomba fangalarana ao an-toerana koa ny fampitomboana faktiora. Avo folo heny ny tokony ho vidiny ara-dalàna no ividianana ny valopy, avo enina heny ny fanamboarana fiara saingy manaiky manao sonia izany ny mpitantana, hoy hatrany ny filohan’ny SVS. “Efa tapitra simba sy tsy miasa intsony avokoa ireo solosaina nandaniana vola be. Nitory teny amin’ny Bianco izahay saingy tsy nidina avy hatrany ry zareo fa nampilaza ny tomponandraikitra ka afaka namboatra faktiora tsy ara-dalàna ireto farany. Tsy misy tohiny ny raharaha hatramin’izao”, hoy Rakotovao Richard, “Chef de département juridique” ao amin’ny CEM.
Ho an’ireto mpiandraikitra ny sendika ireto dia voasaringotra amin’ity fambotriana ny CEM ity ny mpitantana ao. Vao nandray ny toerany ity farany dia namoaka fampilazana fa tsy ekena intsony ny fanaovan’ny mpiasa fiofanana (formation diplomante) kanefa amin’izao fotoana dia misy mpiasa iray miofana ao amin’ny CEDS no sady mbola ny CEM koa no niantoka ny saran-dalany sy ny sakafony nandritra ny dia tany Chine izay nandaniana 20 tapitrisa ariary tao anatin’ny herinandro monja. Ankoatra izay dia manahy koa ny sendika ny mety isian’ny firaisana tsikombakomba amin’ireo orinasa mpanao fanamarinana ny kaonty anatiny sy ivelany (auditeur interne et externe). Raha ny sata mifehy ny CEM mantsy dia tsy maintsy orinasa ivelany roa samihafa no manara-maso ny fampiasam-bolany raha mihoatra ny 100 tapitrisa ariary ny tetibola.
Hatramin’ny taona 2004 no ho mankaty anefa dia orinasa iray ihany no misahana izany isan-taona ary mbola nohavaozina ny fifanarahana aminy amin’ity taona ity. “Mihoatra lavitra ny 100 tapitrisa ariary hatrany anefa ny renivola satria manodidina ny 215 miliara ariary hatrany izany ny taona 2007-2008 ary
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.