Tsy nisy ny alaharo fa fiarabe sy andia-miaramila no indray nigadona nandrava ireo trano manamorona ny By-pass, omaly.
Ireo trano fivarotana hanimasaka sy fisotrosotroan’ny “mpanala azy” manodidina ny tetezana mandika an’Ikopa no voakasik’ity fandravana ity, sy ireo nanemitra iny lalam-baovao vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny Japoney iny. Nialoha ny paska no efa saika nirosoana ity fandravana ity saingy tsy raikitra. Omaly dia nanao be midina teny ny olon’ny FAT, nanampy an-dry zareo Ambohimangakely. Rava hatramin’ny tranon’ireo “Israelin’Andriamanitra” lava akanjo, nanorim-ponenana teo ambany tetezana. Araka ny fantatra aza dia maty tampoka nentin’ny fahatairana ny iray tamin’izy ireo. Tsy niala moa izy ireo na rava fialofana aza fa teo mandrak’alina. Araka ny nambaran’ireo rava trano dia telopolo metatra miala ny sisin’arabe ary ny zoma sy ny faran’ny herinandro ihany no azon’iretsy mpila vola ampiasaina.
Tsy mbola fantatra indray kosa izay hifindran’ireo andian’olona efa 200 tany ho any nanorim-ponenana teo ambany tetezana. Advantista mitandrina ny andro faha-7 izy ireto, saingy manaraka fomba fiainan’ny Zanak’Israely fahiny, toy izany koa ny fivavahany. Niainga avy tany Bealanana, izy ireto. Nitatra tany Antsiranana, Toamasina, Mahajanga, ary efa mipaka any Amoron’i Mania any. Misy ihany fitarainana re mikasika azy ireo, toy ny hoe manao maloto ao amin’ny reniranon’Ikopa, mibodo tanin’olona. Na izany aza, niteraka resabe ihany ny fomba nentina nandravana trano omaly ity. Ny fitondrana teo aloha nohenjehina mafy raha niroso tamin’ny fanatsarana ny tanàna, nanaovana iny Boulevard de l’Europe iny. Ary itony teny amin’ny By-pass itony mba ahoana ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.