Tao anatin’ny efa-taona izao dia lasa fahazarana ho an’ny mponina ao Brickaville ny miara-miaina amin’ny voalavo rehefa volana aogositra sy septambra.
Miakatra an-tanàna hatrany mantsy ireto voina fandrava ireto amin’izao vanim-potoana izao. Tsy an-tsaha tsy an-tanàna fa samy misy azy ireo avokoa, eny fa na dia ao amin’ny renivohitry ny Distrika aza, hoy ny fitarainan’ny Mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy any an-toerana, Noël Régis. Nampiasa fanafody namonoana ny voalavo ny mponina teo aloha saingy najanona izany, araka ny fanazavan’ity olom-boatendry ity noho ny tahotra ny fanapoizinana amin’ny sakafo. Tsy fitandremana kely tokoa mantsy dia mety hitera-doza. “Miditra any an-trano mihitsy ry zareo ary tsy mifidy fotoana fa na antoandro na alina. Tsy vitan’ny mihinana ny voly eny an-tsaha sy ny sakafo ao an-tokantrano izy ireo fa efa eo am-baravarana koa ny aretina pesta”, hoy hatrany i Noël Régis. Nanaovana tatitra izao zava-misy izao ny manampahefana any anivon’ny Faritra Atsinanana izay nampanantena hanao hetsika famongorana. Mbola manao antso amin’ny fanjakana foibe hijery akaiky ity voina ity koa ry zareo.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.