Actualités

Botry rendrika tao Tambohorano 07 namoy ny ainy, 02 mbola karohina


  • Alarobia 21 Aprily 2021

Nitrangana loza an-dranomasina namoizana aina tany amin’ny vinanin’i Tambohorano ny tolakandron’ny alatsinainy 19 aprily 2021.

 

 

Botry na tefitefy iray atao hoe “NANY” niainga vao maraina tao Maintirano nitondra mpandeha 30 no rendrika teo ampidirana ny vinanin’i Tambohorano. Vaky roa ilay tefitefy noho ny hamafin'ny onja nentin'ny rivotra. Mpandeha iray avotra no nilaza tamin'ny zandary ny fisian’ny loza. Vao nandre izany dia nitady sambokely haingampandeha roa avy hatrany ireto farany hanavotana ny niharamboina sy nanao ny fikarohana. Voatery natsahatra ny fikarohana rehefa tena tsy ampy ny fahitana tamin'ny alina. Nitohy omaly talata 20 aprily 2021n vao maraina ny fikarohana ka 19 no isan'ny olona hita fa velona omaly hatramin'ny 07 sy sasany maraina ka anisan'izany ny mpanamory an'ilay Tefitefy sy ny mpanampy azy roalahy ary zandary iray miasa ao Besalampy, samy avotra. Fito kosa ireo hita maty ka zandary ny iray, namela kamboty telo. Mpampivelona handeha hiasa ao Bebaboky. Isan’ireo namoy ny ainy tao anatin’ity loza ity ny Delegem-panjakana ao Besalampy sy ny zanany roa ary vehivavy iray zana-drahavaviny. Nisy vehivavy iray hafa koa hita faty. Mpandeha roa no mbola karohina io omaly io, ka zandary manambady ary manan-janaka iray ny iray ary tovovavy mpianatra ny faharoa.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT