Sady faly no sahirana ireo mpanamabdy nisora-panambadiana tetsy amin’ny Boriboritany voalohany ny sabotsy teo.
Noho ny hetsiky ny Miara-maonja notanterahina teny amin’ny kianjan’ny 13 mey ka nisian’ny sakana nataon’ny mpitandro ny filaminana mantsy dia voatery najanona teny Ambondrona, Ambodin’Isotry ny fiara nitondra azy ireo. Voatery natao dia an-tongotra ny lalana ambiny noho izany nalakivaky an’iny Analakely sy ny manodidina iny. Narahina tahotra izany rehetra izany. Raha vantany vao vita moa ny tokony natao dia lasa namonjy ny fiarany indray ireo mpanambady niala haingana ny faritr’Analakely izay azo lazaina ho nampatahotra tokoa tamin’iny sabotsy lasa teo iny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.